Ny kaonty Twitter an’i Jack Dorsey dia voasompatra tamin’ny alalan’ny fisolokiana karatra SIM
Jack Dorsey dia tsy iza fa ny tale jeneralin’ny orinasa amerikanina Twitter. Ny kaonty Twitter-ny @jack no kaonty voalohany noforonina tao amin’ity tambajotra sosialy malaza ity. Ny zoma 30 aogositra no voasompatra ny kaontiny ary namoaka tweets fanavakavaham-bolon-koditra sy fandokafana an’i Hitler izay voafehy haingana ihany avy eo. Fantatray fa nisy nisompatra i @jack ary…