Ny kaonty Twitter an’i Jack Dorsey dia voasompatra tamin’ny alalan’ny fisolokiana karatra SIM

Réseaux sociaux, Teny Malagasy 0

Jack Dorsey dia tsy iza fa ny tale jeneralin’ny orinasa amerikanina Twitter. Ny kaonty Twitter-ny @jack no kaonty voalohany noforonina tao amin’ity tambajotra sosialy malaza ity. Ny zoma 30 aogositra no voasompatra ny kaontiny ary namoaka tweets fanavakavaham-bolon-koditra sy fandokafana an’i Hitler izay voafehy haingana ihany avy eo.

Fantatray fa nisy nisompatra i @jack ary efa manadihady ny zava-nitranga izahay

hoy ny tweet nalefan’ny orinasa Twitter.

Ity fisomparana na « piratage » ity dia azo natao noho ny fangalarana ny nomeraon-taribiny, mba hahafahana miditra amin’ny kaontiny. Iray amin’ireo rafitra fiarovana aminà kaonty Internet ankehitriny ny fanamarinana indroa (double authentification) amin’ny alalan’ny adiresy mailaka sy nomeraon-tariby.

Ilay piraty dia nifandray tamin’ny mpandraharahan’ny findain’i Jack mba hisolokiany fa very ny karatra SIM-ny (izay tsy azy akory, tsy nisy fanamarinana fa tena Jack io miantso io) ary tiany ho averina aminy ny laharany (récupération). Noho izany, rehefa voaverina ilay laharana dia afaka manao fangatahana fahaverezana tenimiafina izy ary hampiditra ny laharana finday izay vao azony ilay piraty.
Izay dia vita ny fisomparana kaonty! Looozzzaaa!

https://twitter.com/yashar/status/1167527357219037184

Alaivo sary an-tsaina hoe vitan’ilay piraty izany any Etazonia ary indrindra hoe karatra SIM an’olona malaza toy izany no voasoloky. Alaivo sary an-tsaina hoe raha eto Madagasikara. Afaka manome toky ve ny mpandraharaha eto an-toerana fa tena azo antoka ny fanendrena laharan-tariby eto? Azontsika atokisana ve ny mpiasan’izy ireo mikarakara ny fanaovana « récupération de carte SIM » ireny?
Tena mampisalasala! Mbola tsaroana ilay raharaha efa elaela taminà « tombola » hahazoana loka goavambe izay nisy nilaza fa very ny karatra SIM an’ilay tena tompony ka nalainy ho azy mba ahafahany milaza fa izy no tena tompon’ilay laharan-tariby.

A propos de l'auteur / 

rija

Laisser une réponse

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués. *

Autres articles

Haikajy Magazine

The first malagasy online magazine specially tackling ICT topics.

Suivez-nous sur Facebook