Iza moa i Elon Musk

Entrepreneuriat, Teny Malagasy 2

Elon Musk dia mpandraharaha mahomby amin’ny zavatra ketrehiny ary misesisesy izany fananganany orinasa maro samihafa. Teratany afrikana tatsimo izy ary 45 taona izy ankehitriny (teraka jona 1971). Talen’ny orinasa SpaceX sy Tesla Motors no tena ahafantarana azy amin’izao.

Tamin’ny fahazazany dia ankizy tena tia mamaky boky izy ka mahavita boky in-droa isan’andro araka ny filazan’ny rahalahiny. Mikasika taranja maro ireo boky vakiany ireo: fivavahana, filozofia, siansa, angovo, fandraharana, sns. Izany indrindra no mahatonga azy maranitra sy mahery amin’ny fandraharahana izay ataony.

Efa tao aminy dieny kely ny tsirin-kevim-pamoronana orinasa ka teo am-pamitana ny doctorat amin’ny fizika ara-angovo dia aleony natsahatra fa niara-nanangana ny “Zip2” izy tamin’ny 1995. Efatra taona taty aoriana (1999) dia novidian’ny AltaVista io orinasa io, na izany aza mbola manana ampahany kely amin’io ihany izy.

Rehefa vita iny dia nanangana banky amin’ny aterineto izy ary indrindra ilay orinasa fandoavam-bola amin’ny aterineto Paypal isan’ny tena fahombiazany. Angamba mahalala izany Paypal izany isika? Vetivety izy io tamin’ny taona 2002 dia novidian’ny orinasa lehibe Ebay tamin’ny tetibidy 1 lavitrisa 500 tapitrisa dolara. Mbola nitazona ny 17%-n’ilay orinasa izy teo am-pivarotana izany.

Elon_Musk_biography_com

Tsy nijanona teo i Elon Musk fa dieny jona 2002 dia nanangana ny orinasany fanintelony hafa indray dia i SpaceX. Mandrak’ankehitriny dia mbola izy no sady tale jeneraly no tale teknika an’io orinasa io. SpaceX dia mamorona sy manamboatra fiaran-danitra ahafahana manao fitsangatsanganana eny amin’ny habakabaky ny tany (fizahan-danitra = tourisme spatial). Maro ireo tetikasa ketrehin’io orinasa io amin’ny fanjanahana ny habakabaka fa isan’ny tena ngeza ny fikasana ho eny amin’ny planeta “Mars”, hamorona firenana misy mponina iray tapitrisa eny amin’io planeta io.

Isan’ny ahafantarana an’i Elon Musk ny fitantanany ilay orinasa Tesla Motors mpamokatra fiara mandeha herinaratra entina miady amin’ny fandotoana tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy noforoniny indray aloha ity orinasa ity fa niditra tamin’ny renivolany izy satria tarany ny tanjona masin’io orinasa io ary talen’io orinasa io izy nanomboka ny taona 2008. Ankehitriny dia orinasa hita fa manana hoavy mamiratra Tesla Motors. Ny fiara elektrika zao no ho lamaody atsy ho atsy manoloana ny loto sy ny aretina ateraky ny fiara mandeha solika.

Tsy mijanona amin’ireo ny tetikasan’I Elona fa maro tsy voatanisa: isan’izany ny tetikasa Hyperloop famoronana fiaran-dalamby amin’ny haingam-pandeha mihoatra ny 1200 Km isan’ora mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Misy ihany koa ny Powerwall amin’ny fitahirizana herinaratra. Misy koa ny OpenAI (Open Artificial Intelligence) izay sehatra tsy itadiavan-tombony handraisan’ny mpandray anjara hamorona vokatra momban’ny fahaizana artifisialy ho an’ny tombotsoan’ny olombelona. Manana koa ilay orinasa mpanofa takelak’angovo avy amin’ny masoandro izy dia ny SolarCity.

Ny orinasa farany noforonin’i Elon Musk vao haingana izao dia mitondra ny anarana hoe Neuralink. Ny tanjon’io orinasa io dia ny hanohy ny atodihan’olombelona amin’ny solosaina (atidoha artifisialy). Tsy mbola mazava anefa ny tena mbola azo ampiasana izany: mety azo ampiasaina amin’ny fikarohana ara-pitsaboana ihany izy amin’ireo karazana areti-tsaina. Fa ny zavatra ho azo atao atsy ho atsy izany dia ny handika ny eritreritr’olombelona anatin’ny fitaovam-pitahirizan’ny solosaina.

Tsy mitsahatra ny mikaroka sy mamorona orinasa ity ranamana ity ary hevitra mitsinjo ny lavitra no foroniny. Efa ho orinasa valo (8) zao no notanisaina teo kanefa mino isika fa tsy ireo ihany no hananany ary mbola tsy hitsahatra hatreo izy io. Izy ilay antsoina hoe “serial entrepreneur” amin’ny teny vahiny na raha adika ara-bakiteny dia hoe mpandraharaha mpamorona misesisesy.

A propos de l'auteur / 

rija

2 Commentaires

  1. tsilavina 15/05/2017 dans 22 h 48 min -  Répondre

    Misaotra amlay lahatsoratra fa dia nahaliana tokoa 😀

  2. rija 16/05/2017 dans 10 h 07 min -  Répondre

    Hahahah Mr Lomay 😀

Laisser une réponse

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués. *

Autres articles

Haikajy Magazine

The first malagasy online magazine specially tackling ICT topics.

Suivez-nous sur Facebook